Hita faty nitsitra tamin’ny tany ny tovolahy iray, mpivarotra hani-masaka, omaly maraina. Sempotry ny afon-tsaribao tao an-tsenany, eny Ampasapito, izy. Miditra amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny olona hanolo io lehilahy namoy ny ainy io, omaly. Mbola nihidy be anefa ny tsena tamin’izy tonga teny an-toerana. Nandodona avy ety […]
Taratra
Ny diarin’i Anne Frank : Natolotry ny ViMa ny tranombokim-pirenena
Voadika amin’ny teny malagasy ilay boky malaza maneran-tany “Le journal d’Anne Frank”. “Ny diarin’i Anne Frank” ihany no lohateniny, izay nadikan’i Michèle Rakotoson sy Riambola Mitia. Vita printy ary efa mivoaka amin’ny fomba ofisialy ihany koa ity boky vokatry ny voan-kevitr’i Zouzar Bouka, filohan’ny Vision Madagascar (ViMa) ity. Natolotra ny […]
Tontolon‘ny hira: Hanimba hira sy mpitendry ny teknolojia
Fototra iray mampijoro ny hira ny fisian’ny mpitendry (mpitsoka, mpikapoka…) zavamaneno. Misedra olana maro, anefa, izy ireny… Zavamaneno iray mahatafavoaka feo maro… Hadinodino fa misy ny mpitendry. Havanana amin’ny zavamaneno tendreny na tsofiny na kapohany izy ireo. Miaina miaraka amin’ireo hira kaloin’ny mpihira, sns. Olana lehibe sedrain’ny mpitendry zavamaneno amin’izao […]
INDRAY MIJERY
Noho ny fisian’ilay fikorontanana ao amin’ny ranomasimbe Indianina, tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary hiitatra amin’ny ilany atsinan’ny afovoantany izany, manomboka ny talata ho avy izao. Hahery be koa ny ranomasina sady ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, manomboka amin’ny alatsinainy. Nanome […]
Rasazy Valencia – Fandrindram-piterahana : “Fifaliako rehefa samy resy lahatra ny mpivady”
Rasazy ao amin’ny CSB II Ambohimanarivo Antsirabe, nandritra ny 8 taona, Rafanomezantsoa Lantonirina Valencia. Tomponandraikitry ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ao an-toerana izy. Betsaka ireo vehivavy tsy avelan’ny vadiny hanao fanabeazana aizana tonga eto kanefa mahatsapa fa reraka amin’ny fiterahana lava. Resahina sy omena soso-kevitra izy ireo ary entiny eto ny […]




