Taratra

Ravinala Airports : Novatsiana fitaovana ny zandarimaria

Hamafisina ny fitandroana fahalemana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ma­noloana izany, nanolotra fitaovam-piasana sy kojakoja maro ho an’ny kaompanian’ny zandarimaria ao anatin’ny sera­nan’Ivato, ny orinasa Ravinala Airports, ny 3 febroary teo. Tanjona ny hiarovana ny fitaterana ana habakabaka ma­noloana ny tranga miseho tsy ara-dalàna samihafa. Hano­me­zana antoka ny mpandeha, ny mpiasa, […]

“Orange Summer Challenge 2025”: Laharana faharoa ny Startup GazNika

Misongadina eo amin’ny famoronana tetikasa ny Malagasy. Nasehon’ny ekipa Startup GazNika ny fahaizany tamin’ ny “Orange Summer Challenge”. Namiratra indray i Mada­gasikara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena, « Grand prix international Orange Summer Challenge (OSC) 2025 ». Nifantoka tamin’ny lohahevitra « Startup for Good », miompana amin’ny famoronana tetikasa mitondra soa. Nahazo ny laharana faharoa […]

Internet : Mihena hatramin’ny 40 % mahery ny sarany

Nanomboka ny volana novambra 2025 ka hatramin’ny febroary 2026, nanavao ny tolotra ataony ireo orinasam-pifandraisan-davitra (opérateurs) lehibe eto Madagasikara, dia ny Yas, Orange ary Airtel. Nitombo ny habetsahan’ny “data” azo ampiasaina. Nihena kosa ny vidiny. Araka ny tarehimarika navoakan’ny MNDPT izay nanao fampitahana, maherin’ny 40 %, amin’ny ankapobeny, ny fihenan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hampodiana sy hotsarain’ny Fitsarana mala­gasy ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy aorian’ ny dingana sy ny raharaham-pitsarana ary ny fanadihadiana ataon-dry zareo maorisianina. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fitsa­rana, Fani­risoa Ernaivo, ny atsy amin’ny Nosy Mao­risy. Andrasana ny hanetsehana ny tohin’ireo fitoriana sy dosie maro momba ireo mpitondra fanja­kana ambony, […]

Minisi-panjakana Razafimanantsoa Hanitra : « Hiainga eny ifotony ny fikaonandoham-pirenena »

Mbola nanamafy ny efa nambarany, manoloana ireo resaka mandeha, ny eo ani­von’ny minisi-panjakana misa­hana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. « Miainga any ifotony, ma­nom­boka eny amin’ny fokontany, mandalo kaominina, distrika, faritra ary ny sehatra na­sio­naly ny ho fizotran’ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy. Nan­teriny, tamin’izany, fa handray anjara amin’izany avokoa ny […]