Manamarika ny datin’ny 7 febroary, anio, ny mpanohana ny fitondrana teo aloha. Asa hanao ahoana ny ho endriky ny fahatsiarovana, ao anatin’izao fanavaozana izao. Sanatrian’ny vava ho very anjambany na ho raraka an-tany ny ra nalatsak’ireo namoy ny ainy? Ny olona naongana sy nahafaty tamin’izany manko izao no miaraka […]
Taratra
Madagasikara-Maurice : Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-pitsarana
Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana efa misy eo amin’i Madagasikara i Maurice, araka ny nambaran’ny tonia mpampanao lalàna maorisianina, i Gavin Patrick Cyril Glover, nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao Port Louis, Maurice, afakomaly. Niompanan’ny dinika ny fametrahana rafitra hanamora sy hanafaingana ny fitantanana ireo raharaha ara-dalàna […]
TSELATRA
Telo lahy nodoran’ny fokonolona velona tao Soanindrariny Antsirabe, afakomaly maraina. Voalaza fa namono nahafaty vehivavy bevohoka izy ireo. Notatahina ny kibony hatrany amin’ny fivaviany namoahana ny zaza tao an-kibony, nalain’izy ireo koa ny masony. Nolazaina fa nototoin’ny omby anefa ny nahafaty ilay vehivavy. Notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary tao Tsarahonenana, […]
Soamahamanina: Telo lahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa, ireo telo lahy nahatrarana taribin-jiro tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Lasan’ny mpanao ratsy avokoa ny ankamaroan’ny tariby hampiasain’ny orinasa mpamatsy herinaratra ao anatin’io kaominina io. Nahatsikaritra fisiana toe-javatra hafahafa ny mponina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Fiara fitateram-bahoaka tratran’izy […]
Halatra omby : Dahalo dimy lavon’ny zandary
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana mahery vaika ny dahalo raindahiny miisa dimy, tao amin’ny tanànan’i Tsararavaka, fokontany Ambatolahy, kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto, ny alin’ny alarobia 4 febroary teo, tamin’ ny 10 ora alina. Nalain’ireo olon-dratsy nitam-basy ny omby miisa fito tao amin’ny vala iray anatin’io tanàna io. Niantso […]




