Taratra

Oniversiten’Antananarivo : Hampianatra eny ny profesora Jasbir Chahal

Tonga eto Madagasikara ny profesora Jasbir Chahal ary voafantina ho Fulbright US Scholar hisehatra eto an-toerana. Ato anatin’ny enim-bolana manaraka, hiara-miasa akaiky amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole doctorale Mathématique et application (EDMA), anatin’ny departemantan’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, izy. Hitarika atrikasa sy fampianarana, hizara traikefa ho fanamafisana ny fampianarana matematika […]

Ady amin’ny kolikoly : Nametraka politika anatiny ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka

Iray amin’ireo vina ifotoran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanajana ny etika sy ny fitsipi-pitondrantena maha polisy. Eo koa ny fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny famolavolana ho matihanina eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Telo volana no nitondran’ny minisitry ny Fila­mi­nam-bahoaka, ny in­spe­cteur général de police Erick Michel, […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny iraky ny Fifa : i Raul Chipenda sy Etianne Sockeng. Efa nanomboka ny 4 febroary teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 febroary ho avy izao. Nanatrika izany ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa […]

Olympika amin’ny andro ririnina: Vonona i Mia Clerc sy i Mathieu Gravier

Hanomboka anio, any Mi­lan-Cortina, Italie, ny lalao Olym­pika fanao amin’ny andro ririnina. 92 ireo firenena, avy amin’ny kaontinanta 5, hiatrika izany ho an’ity andiany faha-25 ity. Anisan’ireo manana so­lon­tena amin’izany i Madaga­si­kara, amin’ny alalan’i Miali­tiana Clerc (Mia Clerc), 25 taona, sy i Mathieu Gravier, 23 taona. Vonona izy mianadahy hiaro […]