Taratra

Kitra : lasa ambasadaoron’ny Telma i Roro

Manomboka izao, ho masoivohon’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar, ny mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan”, Rakotondrabe Romuald Felix na i Roro. Hifanome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny roa tonta. Tsy diso safidy ny Telma Madagascar, nanendry an-dRakotondrabe Ro­muald Felix (Roro), mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan 2023”, ho ambasadaorony. […]

Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso […]

Misamboaravoara

Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsi­kafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita […]

Haintrano : “Prise” tsy voatsoaka, nirehitra ny trano

Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambo­himanarina. Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohima­narina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny na­nala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy […]

Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afa­komaly. Nahatsika­ritra io lehi­lahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala […]