Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy tamin’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. […]
Taratra
Halatra basy : tompon’antoka ny mpiandry fonja sy gadra
Mpiandry fonja telo sy voafonja telo indray naiditra am-ponja, afakomaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana momba ilay raharaha halatra basin’ny fonja ao Vavatenina. Nihanivoatra hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny famotorana rehetra. Basy Mas 36 efatra niaraka tamin’ny bala marobe tao amin’ny fonjan’i Vavatenina no […]
Trafika : sokatra 54 hita tao anaty kamiaobe
Voasambotry ny polisy tao Toliara, afakomaly ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko sokatra. Nahazo fampitam-baovao ny polisy miasa ao Ihorombe fa misy sokatra ataon’olona anaty gony feno saribao niainga avy any Toliara hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Nanao fanadihadiana ny polisy ka ny 2 avrily 2023 teo, voasakana teo […]
“Gool Den Team”: mandrahona olona indray ny zaza maditra
Mitohy ny fikarohana ireo tanora mandrafitra ny “Gool Den Team” ao Toamasina. Miroso amin’ny fampihorohoroana olona anaty tambajotran-tserasera indray izy ireo. Miditra amin’ny fandrahonana olona amin’ny alalan’ny kaonty anaty tambajotran-tserasera indray ny fikambanana tanora “Gool Den Team” malaza ratsy ao Toamasina. Mbola tsy naharenesana vaovao ny mahakasika ny fanadihadiana, efa […]
Tontolo iainana : namboly hazo ny Miary Aid
Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Bongatsara, ireo mpikambana eo anivon’ny Association Miary Aid. “Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny fikambananay ny fiahiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny lafiny fanabeazana ka antony hanaovana izao hetsika izao”, hoy izy ireo. Tsy vitan’izany anefa fa eo […]




