Mitombo hatrany ny trangana herisetra sy fanolanana mahazo ny ankizy eto Madagasikara na eo aza ny hetsika fanentanana isan-karazany hisorohana izany, raha ny nambaran’ny fikambanana TAO. Ankizy 3 isan’andro no lasibatr’izany manerana ny Nosy. Manampy izany ireo vehivavy tanora. Ankoatra izay, misedra olana maro samihafa izy ireo sy ny fianakaviany […]
Taratra
Fiaraha-miasa : hanome traikefa ny Tafika malagasy ny Indonezianina
Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, afakomaly ny mpiraki-draharahan’ny Repoblikan’i Indonezia eto Madagasikara, M. Benny Yan Pieter Siahaan. Niarahaba ny MDN amin’ny naha voatendry azy ho minisitra sy hanamafy ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta no anton’izao fitsidihana izao, araka ny […]
Caisse d’Epargne Madagasikara : masoivoho vaovao eny Ambohitrarahaba
Tena namantarana ny Caisse d’epargne Madagasikara (CEM) hatramin’izay ny sehatry ny fitahirizam-bola. Nivoatra izany aty aoriana, niova sata ho sampandraharaha ara-bola madinika na mikraofinansa (IMF) izy, ka efa misy koa ny fampindramam-bola nanomboka ny taona 2019. Mitombo koa ny isany manerana ny Nosy, ka notokanana, omaly ,4 avrily, ny masoivoho […]
Fampitomboana voka-bary ao Ihosy : tohodrano vaovao manondraka lemaka 200 ha
Naorina ao amin’ny fokontany Bedado, kaominina Sahambano, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe ny tohodrano manondraka lemaka 200ha, nataon’ny fandaharanasa «Défis». Natao izany hanatsarana ny voka-bary any an-toerana. Namaly ny hetahetan’ny tsantsaha mpisitraka miisa 174 izay mivondrona ao amin’ny fikambanana «Andriamisara Vagnosoa» ity tohodrano vaovao ity. Velombolo tanteraka ny mponina ary manantena ny […]
« Complexe de pêche »: tetikasa lehibe valo napetraka ao amin’ny faritra Diana
Hisitraka fotodrafitrasa hanatsarana ny sehatry ny jono ny faritra Diana. Hitsangana amina toerana miisa fito any amin’ny faritra avaratra ny “complexe de pêche” hanatsarana ny vokatra. Toerana fito ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Nosy Be, faritra Diana no hanana «complexe de pêche» tsirairay avy. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny sehatry ny […]




