Taratra

Orange Pro League : tafita amin’ny « Play off » koa ny Cosfa

Taorian’ny Fosa Junior Boeny, tafakatra amin’ny dingan’ny “playoff” an’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra, “Orange Pro League” (OPL) ihany koa ny Cosfa Analamanga. Manana isa 23 ny ekipan’ny miaramila amin’izany, ary miray vondrona izy ireo sy ny Fosa Junior Boeny, ao amin’ny kaonferansy avaratra. Vaovao tsara ho an’ny miaramila, hita omaly, […]

Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barça ny Real Madrid

Hotanterahina anio ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny “Coupe du Roi 2023” Espaniola, taranja baolina kitra. Hihaona amin’ny Bar­celone FC ny Real Madrid. Fifanandrinana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Camp Nou. Hanala vela ny Real Madrid, lavon’ny Barça, tamin’ny isa 1 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso natao tany Santiago […]

Boxe française : hiatrika fiofanana ireo mpitantana amin’ny savate

Ho fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpitantana eo amin’ny savate sy ny canne de combat, ny federasiona malagasin’ny savate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA). Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny sa­vate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA). Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena, natao tany […]

Tononkalo : hisy ny atri­kasa ho an’ny fanoratana

Hotontosaina anio, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny atrikasa “Torolalana ho an’ny fa­noratana tononkalo”. Hetsi­ka karakarain’ny fikambanana Fa­moloana Telozoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Sera­se­ra sy ny Kolontsaina. Andria­nimerina Hobiana, poeta sy mpanoratra, no hi­tondra ny famelabelarana. Tanjona ny fanarenana ny literatiora malagasy sy ny haikanto, indrindra ny teny malagasy. Mitohy […]

Hira evanjelika : Ankohonana iray mandrafitra ny tarika « Ny toa azy »

Ray sy renim-pianakaviana miaraka amin’ireo zanaka nateraka ! “Ny toa azy”, tarika hi­vondronan’ny ankohonana iray resy lahatra amin’ny antson’ Andriamanitra ny amin’ny hi­toriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandali­nana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina. Ny taona 2021 no nijoro ny […]