Taratra

Fiainana antoko : nivory naka bahana amin’ny fifidianana ny TGV

Nivory nikaton-trano teny Ivandry ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko TGV, afakomaly. Nivoitra tamin’izany fa tafiditra amin’ny fanomanana sy ny hiatrehana ny fifidianana ny dinika. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba io fivoriana io ny sasany amin’ireo mpivory. “Tsy misy resaka ady tombontsoa sy vola ho anay depiote ny fihaonana. Mazava […]

Disadisa an-tokantrano : notaperin-drangahy ny aim-badiny

Noleran-drangahy antsy, novonoiny ho faty ary naleviny tao an-tokontany ny vadiny, tao amin’ny fokontany Tsaraman­droso, Toama­sina II, ny alahady tolakandro teo. Tonga nijery io anabaviny io tany an-trano ny anadahiny saingy mi­hi­dy ha­trany izany. Nanatona ny bi­raon’ny fokontany misy ny anabaviny hanontany vaovao ilay lehilahy. Nampandre ny mpitandro filaminana taorian’izay […]

Simba tanteraka !

Firenena manana ny maha izy azy i Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny fananana fahendrena sy fifanajana. Indrisy anefa fa zary fomba amam-panao ny mifanebaka sy mamoaka ny tsiambaratelom-panjakana. Tsy ampoizina fa hatrany amin’ny heverina ho olobe sy olo-manankaja ambony, lohan’ny firenena, no mahita faisana. Taiza teto ambonin’ny tany no […]

Famoahana tsiambaratelo: mifamotika ny zandary !

Zava-doza no miseho eo anivon’ny zandarimariam-pirenena! Tsy voahaja intsony ny fiarovana ny tsiambaratelo. Nijabaka hatramin’ny sekreteram-panjakana, ny Jly Gellé Serge! Tandrevaka sa fanahy iniana? Nisy namoaka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny horonampeo nifampiresa­han’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Sekrete­ram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé. Horonam­peo mirakitra […]

Behenjy : mpangarom-paosy nahatrarana finday halatra

Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ny roa lahy mpangarom-paosy tao an-tsenan’i Behenjy, afakomaly. Teo am-panatontosana ny asa ratsiny, narahan’ny mpitandro filaminana maso ny fihetsik’ireto jiolahy roa ireto. Nikasa hangarom-pa­osy, nanantonan’ny zandary avy hatrany izy ireo ka tsy afa-nandositra. Natao ny fisavana ny kitapo kely teny aminy ka nahitana telefaonina […]