Taratra

Kintan’ny Fanilo mikabary : navoaka ny andia « Mazava »

« Manandratra ny Zava-ma­sina ho Vatsy » na ny « Ma­zava ». Ho an’ny Fikam­ba­nan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary, andiany fahefatra navoakan-dry zareo ny « Mazava » nahitana 35 mianadahy. Niofa­na nandritra ny enim-bolana izy ireto. Nianarana ny kabary fototra, ny kabary am-panambadiana ary ny kabary an-ka­ratsiana. Nasongadin’ny filoham-boninahitry ny Kin­tan’ny […]

Loholona Ramanambitana R. : “Tsy misy ambonin’ny lalàna”

“Amin’ny ankapobeny, ma­lalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Misy ny fa­nambaran’ny minisitry ny Atitany, tamin’ny herinandro lasa teo, izay karazana lalàna mifehy ny famoriam-bahoaka. Araka ny fomba fijerin’ny eto anivon’ny Antenimierando­holona, lalàna ireny. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna”, hoy ny loholona Ramanam­bitana Richard, omaly, ny amin’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany fa tsy azo atao […]

Minisitry ny Serasera : “Tsy foana ny fahazoana mamory vahoaka”

“Tsy foana ny fahafahana maneho hevitra politika. Ma­namafy aza ny ny minisiteran’ny Atitany sy ny governemanta fa mahazo alalana avokoa ny olon-drehetra ma­nao fanehoan-kevitra politika. Eo koa ny fahazoana manao famoriana olona amin’ny politika.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriaton­ga­rivo, omaly, manoloana ny adihevitra […]

Mahavimbina Alain : “Ilaina ny diniky ny samy Malagasy”

Miantso ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ny lehiben’ny faritra Atsinanana teo aloha sady filohan’ny antoko Gasikara antsika rehetra (Gar), i Mahavimbina Alain, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo depiote, araka ny fanazavany. Tsy tanteraka ny dingana hahazoana manao latsa-bato amin’izany. Nisy ny baikon’ny fahefana mpanatanteraka hoan’ny fa­hefana mpanao lalàna. Tao­rian’izay, nanohy […]