Ankoatra ireo Maorisiana enina efa any Tsiafahy, nidoboka am-ponja ny 28 marsa teo, ao Antalaha koa ireo Malagasy dimy voasaringotra tamin’ny raharaha héroïne tany Vohémar. Taorian’ny nahatrarana ireo Maorisiana nitondra sambo haingam-pandeha tao Vohémar, noraisin’ ny mpitandro filaminana an-tanana ny raharaha. « Maorisiana enina nidoboka avy hatrany any Tsiafahy ny faran’ny […]
Taratra
Nampiasa faktiora sandoka… : jiolahy tratra nangalatra moto
Naiditra am-ponja eny Antanimora ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Ny polisy avy ao amin’ny sûreté urbaine du territoire (Sut) no nahasambotra azy afakomaly, teny Avaradoha. Tsy vitan’izay fa misoloky sy mampiasa taratasy hosoka izy, araka ny fanazavan’ny polisy. Ny 21 marsa 2023, naharay fitarainana sy fitoriana […]
Ambalamanasy – Toamasina: Jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Tsy miandry mpitandro filaminana intsony ! Miverina indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Toarian’ny tao Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo, jiolahy iray hafa indray matin’ny fokonolona tao Toamasina, afakomaly. «Leo izahay » ! Io no nambaran’ny fokonolona nampihatra ny fitsaram-bahoaka tamina jiolahy iray voasambotr’izy ireo tao Ambalamanasy – Toamasina, ny talata 4 avrily […]
Mpanao gazetin’ny Viva : nodimandry i Liva
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nodimandry, omaly tolakandro Andriamananjara Livamalala, mpampahalala vaovao ao amin’ny fahitalavitra Viva. Tampoka ny fahafatesana nahazo an’Itompokolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Mbola niasa izy ny maraina, no nanambara ho te hatory. Niera ny hody izy ary nisakafo tao anaty tranom-pivarotana […]
Motocyclisme : nankatoavin’ireo ligy ny fitantanan’ny FMAM
Notanterahina teny Ambohidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ny fivoriambe ara-potoana (AG) nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme. Nahazo fankatoavana na “Quitus 100 %” tamin’ireo ligy roa amin’ny telo misy ao amin’ny FMAM, Analamanga sy Vakinankaratra ny fitantanan-dRazafimahefa Tsirava, filohan’ny FMAM teo aloha, nandritra ny tatitry ny zava-bitan’ny Federasiona, ny taona […]




