Natao sonia, ny 31 marsa teo, ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana manokana (PGES)* nohavaozin’ny orinasa Ambatovy. Nanatanteraka izany, ny filohan’Ambatovy sy ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija. Voafaritr’ity drafi-pitantanana vaovao ity ny fe-potoana 2023 hatramin’ny 2027. Voakasik’izany ny fitrandrahana any Ambatovy Moramanga, ny fantsombe mitatitra ny […]
Taratra
Varotra anatiny : ferana ny lalan’ny fitsinjarana voka-bary eto an-toerana
Nandray fepetra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Mba hijerena vahaolana sy lalantsaina manoloana ny vidim-bary amin’ny fotoan’ny maitsoahitra sy fahavaratra. Voalohany, ferana ny lalan’ny fitsinjarana ny voka-bary eny Imerintsiatosika mankaty Antananarivo. Eo koa ny hijerena ny fitsinjarana izany, miainga avy eny amin’ny tantsaha […]
CT Motors : miavaka ny Kawasaki ZX10
Miakatra hatrany ny lentan’ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ho an’ny orinasa CT Motors. Nampahafantarin’izy ireo ny marika Kawasaki ZX 10 tetsy Andraharo, ny sabotsy 1 avrily teo. Anisan’ny hiaka farany ity karazana moto ity. Manana tanjaka hatramin’ny 203 Ch. “Mahafa-po mihoatra ireo Kawasaki nivoaka tany aloha ity ZX 10 […]
ONE : manan-kery ny fahazoan-dalan’ny Base Toliara
Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena mikasika ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija, ny ben’ny Tanànan’ Ankilimalinike, Toliara II, Mahatoro Longin, ny alakamisy lasa teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE), efa azon’ny orinasa. Notaterin’ny ben’ny Tanàna, Mahatoro Longin, ny tena zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao, misy ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa […]
Fandaharanasa SSH : hamatsy vola ireo fikambanana sy ONG
Hatramin’ny 31 mey izao ny fanaterana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ny fangatahana famatsiam-bola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Ambassador’s Special Self Help Small Grants Program” (SSH). Iantsoan’ny masoivoho amerikanina ny fahavitrihan’ireo fikambanana sy ONG mijoro ara-panjakana sy ara-dalàna eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Comores izany. Tanjona ny hanohanana ara-bola ireo tetikasa […]




