Notanterahina teny amin’ny CHRD Anosy Avaratra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana, ny faran’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fanajana ny fahadiovana sy fidiovana izany ny tobim-pahasalamana 6 ao amin’ny distrikan’Avaradrano ka anisan’ireo filamatra sy maodely. Anisan’ny nahafeno ny fepetra nahafahana nanasokajy […]
Taratra
Mbola mamely ny Covid-19: 43 ny trangan’aretina vaovao
Toy ny mahazatra.Nanao tatitra mikasika ny tranga Covid-19 nandritra ny herinandron’ny 25 hatramin’ny 31 marsa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa nahitana tranga vaovao 43 indray eto Madagasikara. Ao amin’ny faritra Vakinankaratra avokoa ny 26 amin’ireo ary eto Analamanga ny 24. Nahitana tranga telo vaovao kosa […]
Fandraisana an-tanana ny fahasalamana : nofanina hahay handresy lahatra ireo tomponandraikitra
Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana ny ara-pahasalamana eny anivon’ny orinasa sy ny minisitera. Nomena fiofanana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena . Nofanina tetsy amin’ny LMA Ampefiloha, mikasika ny fanentanana ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, hiditra ho mpikambana ao anatin’ny sehatra fandraisana an-tanana amin’ny ara-pahasalamana na ny […]
Basikety: mpitsara 38 nahavita fiofanana
Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana ho mpitsara, andiany «Taratra», nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Mpiofana 38 mianadahy, 10 ny vehivavy, no nisitraka izany fampiofanana izany ary nahazo mari-pankasitrahana. Nizara sokajy roa izy ireo, ka nisy ireo tanora na «Jeunes arbitres» miisa 10 ary mpitsara zokiny kosa ny ambiny. Tafiditra […]
Lifeskills Fanoitra-MJS : tanora 6000 nahazo mari-pandraisana anjara
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fanolorana ny mari-pandraisana anjara, ho an’ireo tanora niatrika ny Lifeskills Fanoitra. Fiofanana nitondra ny lohahevitra “Culture et Vision”, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tanora 6000 eto amin’ny faritra Analamanga no nisitraka izany ary mbola hahazo ny anjarany ireo […]




