Taratra

Depiote Rakotoniaina Pety : “Fitadiavan-tseza ny fandravana andrimpanjakana”

Nisy ny fitakiana nataon’ireo mpanao politika sasany handravana ny andrimpanjakana mijoro. Fitadiavan-tseza ny azy ireo, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotoniaina Pety, voafidy tao Ikalamavony. “Mahandrasa fifidianana. Ny ankamaroan’ireo olona ao amin’ireo antoko politika miisa 103 mitaky ny handravana an’ ireo andrimpanjakana rehetra ireo dia fantatry ny rehetra”. Izay ny […]

TSELATRA

Saron’ny zandary sy ny tomponandraikitra tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fierenana, omaly, ny iray tamin’ireo gadra nitsoaka tany amin’ny fonjan’i Moramanga, ny sabotsy teo. Fararano Gilbert Velojaona Velomaro, anisan’ireo voafonja tafaporitsaka ny tenany. Misazy asa an-terivozona mandra-pahafaty izy nanomboka ny volana mey 2018. Halatra mitam-piadiana sy fikambanan-jiolahy no antony hanenjehana azy. […]

Ambohitrabiby : Lasibatry ny mpanendaka hatramin’ny mpianatra

Velon-taraina amin’ny afi­tsok’ireo mpanendaka an-dalam­be ny mponina ao amin’ny fokontany Antanam­bao, kaominina Ambohitra­biby, PK17. Olona miisa telo samihafa niharan’ny fanendahana nataon’ireo olon-dratsy tao anatin’ny roa herinandro. “Mpianatra hamonjy toeram-pianarana eny amin’ny CEG vao maraina no efa lasibatra”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao ao an-toerana. Voalaza fa hanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny […]

Ankorondrano: Mpamaky fiara voasam­botry ny polisy

Lehilahy nandroba fiara voasambotry ny polisim-pirenena eo anivon’ny Poste avancé Ankorondrano, boriborintany fahatelo, ny alatsinainy 2 febroary teo. Nitondra fiara marika Starex ny renim-pianakaviana iray ary nikasa hividy kojakoja ho an’ny fiarakodia teny an-toerana. Nihaodihaody teo amin’ny fiara ny lehilahy iray mpanao ratsy. Nosokafany io fiara io ary lasany ny […]

Olona telo naiditra am-ponja : Renim-pianakaviana notapahin-doha

Naiditra am-ponja afakomaly any Betroka ny telo lahy nikasa hangalatra basy tao amin’ny tokantrano iray. Notapahin’izy ireo ny lohan’ny vehivavy tompon-trano. Voalaza ho sakaizan’ity lasibatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Be­troka, ireo telo lahy 19, 28 ary 29 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, […]