Ny 21 febroary no tapaka maneran-tany fa ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenim-pirenena. Toy ny fanaony isan-taona, hanamarika izany ny Havàtsa-Upem, amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo amin’ny teny malagasy isam-paritra. Hetsika hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Amphi 10, Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy siansa maha olona (FLSH), manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ravahin’ny […]
Taratra
Hetsika iraisam-pirenena: handray ny “Nosy Boraha Jazz Festival” i Sainte Marie
Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ […]
Prix Paritana andiany fahafito: nampiofanina izay handray anjara amin’ny fifaninanana
Efa miroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito ny mpikarakara. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpikarakara amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity. Nahazo ny fampiofanana sahaza azy ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahafito. Fampiofanana nampahafantarana azy ireo mahakasika ny fifaninanana, ny fanomanana sy fikarakarana […]
Fakafaka: «Tsy mbola afaka, tsy mbola mahaleo tena isika» !
Nazava be io tenin’i Dama (Tarika Mahaleo) io, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampisehoana notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. «Mbola manao tolom-pahafahana isika. Tsy mbola afaka sy tsy mbola mahaleo tena isika», hoy izy. Notohizany tamin’ny hoe : «Aoka tsy hiandrasana ny hafa ny hanavotra antsika […]
Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Tsy voahaja ny HCC momba ny governora”
“Raha nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), nangatahin’ny Antenimierampirenena sy ny fiadidiana ny Repoblika ny heviny momba ny governora dia nambarany hoe vonjimaika ihany io.” Izay ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny mbola tsy fisian’ny fifidianana ny governoran’ny faritra […]




