Nanomboka ny fiandohan’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François […]
Taratra
St valentin : mivoatra manaraka ny toetrandro ny fanomezana
Fotoana iray hanamarihana ny andron’ny mpifankatia anio. Toy ny isan-taona, samy manao izay ho afany ireo mpivarotra misarika ny mpanjifa hividy fanomezana hatolotra ny olon-tiana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny karazana fanomezana atolotra. Mbola eo foana anefa ny voninkazo raozy izay atolotry ny lehilahy ny vehivavy matetika. Fa eo indrindra […]
Herinandron’ny mpifankatia: manavao ny fiainam-pitiavan’ny tanora ny FJKM
Anisan’ny manakorontana ny fiainan-tokantrano ny fanilihana sy tsy fiekena ny hadisoana. “Ny fahaizana mandini-tena sy mahay mandray andraikitra no vahaolana”, hoy ny mpitandrina Razafimanantsoa Heriliva. Fetin’ny mpifankatia! Nikarakara hetsika vontom-pitia ho an’ny tanora sy ny mpivady ny kaomitin’ny fiainam-pianakaviana eo anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, omaly. Tanterahina etsy Analakely […]
Fihariana : betsaka ny mivelona amin’ny asa tanana
Nanaovana fanadihadiana ireo mivelona manokana amin’ny asa tanana. Nanatanterahana izany ny fifanarahana nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, ny asa tanana. Tao amin’ny foibe misahana ny asa tanana no nanolorana amin’ny antsipiriany momba ny mpanao asa tanana tena matihanina. Manerana ny Nosy ny nanangonana […]
Orange sy ny Cementis: fifanarahana ho an’ny “Toeram-ponenana Orange”
Nifanaraka ny Orange Madagascar sy ny Cementis Madagascar momba ny tetikasa sosialy hiarahan’izy ireo. Fifanarahana maharitra ho tombontsoan’ny mponina anatin’ny tontolo misy azy. Cementis Madagascar anatin’ny vondrona Cementis, malaza amin’ny famokarana sy fizarana simenitra sy kojakoja fanaovana simenitra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Miara-miasa ny Orange Solidarité Madagascar sy Cementis Madagascar, […]




