Taratra

Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Mibebaha ary atsaharo ny fihatsarambelatsihy”

Tsy nitsitsy fitenena ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tamin’ny lahateny fohy nataony tany Boriziny, omaly. Nitodika amin’ny mpitantana isan-tokony sy ny vahoaka ary ny kristianina ny tenany tamin’izany . “Aoka isika aty amba­­ny ka hatrany ambo­ny, hibebaka fa tsy afaka handroso haingana ny firenena. Ilaina ny famelan-keloka sy ny ma­mindra fo […]

Antaninarenina : mirongatra ny fanendahana, tontakely roa voasambotra

Tratran’ny polisy, taorian’ny fifanenjehana teny Anta­ninarenina, omaly maraina, ny tontakely roa lahy malaza ratsy amin’ny harom-paosy. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nanatonan’ny olona iray tratran’ny harom-paosy. Nilaza izy fa teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisy nangarona ny paosiny ka lasan’ireo olon-dratsy ny findainy sy ny kara-panondrony niaraka tamin’ny vola. Nohamafisiny […]

Ambovombe: tratra ireo malaso mpanafika sady mamono olona

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy, tao Ambondro, distrikan’Ambo­vombe, ny sabotsy teo, ireo dahalo fito voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vono olona. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo dahalo atidoha nikotrika ny famonoana an’i Manoanga tao Lamitihy, fokontany Ambon­dro, ireto dahalo ireto. Misy amin’izy ireo no […]

Antsirabe – RN7 : voamboana 14 nentina antsokosoko sarona

Saron’ny zandary nentina kamiao lehibe iray antsokosoko ny hazo sarobidy voamboana miisa 14, teo amin’ny Pk 176+200 , Vinaninkarena, Antsirabe, ny sabotsy 15 avrily teo. Nanararaotra ny andro maizina, nitondra ireto hazo sarobidy ireto ny kamiao lehibe izay mpitondra solika. Nafenin’ny mpamily tao anatin’ny kamiao ireo hazo. Efa nahazo loharanom-baovao […]