Taratra

Fanafihana tetsy Ambohimanambola: namoy ny ainy ny tompon-trano, voaroba ny 1 tapitrisa Ar

Naratra mafy, namoy ny ainy, omaly maraina, ny iray tamin’ireo olona roa naratra voatafika tetsy Ambohimanambola, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Namoy ny ainy, omaly maraina, vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana iray tompon-trano voatafika tao Ambohipeno ny alin’ny zoma teo. Tokantrano roa nifanao ambony ambany no indray […]

Filoha Rajoelina sy ireo depiote miisa 80 : tanteraka sy vita ao Ambositra ireo Velirano 13

Nitokana fotodrafitrasa tany Ambositra ny filoha Rajoelina Andry niaraka amin’ny rodoben’ireo depiote maherin’ny 80 ary ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Tanteraka any an-toerana ary vita ny Veli­rano miisa 13. Miisa enina ireo fotodrafitrasa notokanana tamin’izany ka anisany ny fonja, fitaleavam-paritry ny Minfop, polisim-pirenena, EPP, gare routiere, kianja manara-penitra. Ahitana […]

Fijery hafa sy lavidavitra kokoa amin’izay…

Ny takaitra navelan’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, ny dona vokatry ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no tsy maintsy hatrehina sy zakain’izao tontolo izao ankehitriny. Ady fiady… Mandra-pahoviana? Tsy misy afa-bela na ireo firenena heverina ho mandroso sy matanjaka aza. Anisan’ny miharihary tsy takona afenina […]

Mandriambero – RN4 : nosokirina tao anaty fiara ny mpamily

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Olona roa namoy ny ainy ka anisany ilay mpamily fiara tra-doza tetsy Mandriambero, kaominina Ambohidratrimo, omaly vao maraina. Maty tsy tra-drano, mpamily fiara iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Man­driambero, anatin’ny RN4, Pk 12 + 300 , omaly vao maraina. Tamin’ny 4 ora sy sasany, […]

Rugby – XXL Top 20 : hano­hitra ny TFA Anatihazo ny XV Fa Ampasika

Hitohy rahampitso alahady 16 avrily, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana hi­songadina, ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny XV Fa Ampasika. Adin’ny samy kartie ka heverina fa ho toy ny famaranana […]