Tratran’ny polisy teny Ambolotara Itaosy, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanao trafikana zava-mahadomelina. Mamboly sady mivarotra izy. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy noho ny firongatry ny zava-mahadomelina eny an-toerana. Nisy paikady nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ireo nanao fanamiana sivily. Lehilahy iray no voasambotra tao […]
Taratra
Ambodivona Ankadifotsy : mpanendaka roa lahy nitondra antsy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambodivona, omaly. Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy mpanendaka, anisan’ireo mampitondra faisana ny mpiara-belona eny an-toerana. Maro ny lasibatrin’ ireto mpanendaka ireto ary mampikaikaika ny maro ny asa ratsiny. Tao ny very entana, nisy koa ny naratra sy namoy ny ainy. Maro ihany koa ny fitarainana […]
Gret – Tetikasa lalankely : hisitraka ny fokontany 75 ato anatin’ny CUA
Nampahafantarina afakomaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny tetikasa lalankely andiany fahatelo. Tantanan’ny orinasa GRET sy vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Hisitraka izany ny fokontany 75 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Havaozina sy hamboarina avokoa ny lalankely any anelakela-trano rehetra, ny arabe, tatatra, paompy, fanasan-damba, trano fidiovana, trano […]
Tetikasa Elatra : harenina ireo vehivavy niharan’ny herisetra
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny tetikasa Elatra, tarihin-dRasamimanana Onjaniaina sy Randolph Jilliana. Miompana amin’ny fanohanana ny vehivavy niharan’ny herisetra mba hiverina hanana ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina sy eo amin’ny seha-pihariana misy azy ny tetikasa. Miisa 100 ireo vehivavy kendren’ny tetikasa hotohanana hatramin’ny faran’ity volana marsa ity. Vehivavy 400 mahery […]
Brickaville : mpampianatra 250 nampahafantarina an’Ambatovy
Ho fampahafantarana ny tetikasa Ambatovy, nisy ny fizarana vaovao tamin’ireo mpampianatra ao Brickaville ny volana janoary sy febroary teo. In’efatra miantoana ny fihaonana. Nahafahana nizara vaovao tamin’ireo mpampianatra 250 tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikan’ny mangarahara sy fizaram-baovao mikasika ny orinasa amin’ny besinimaro ny fikarakarany fihaonana fampitam-baovao sy […]





