“Tsy ratsy ny fisokafana. Raha hanao an’izany ihany ny fitondrana: ataovy aloha ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny Hery politika mitambatra (HPM), Ralison Roger, ny amin’ny hoe fanovana na fanamboarana ny governemanta. Izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena izay, fantatra ny vonona hiditra ao amin’ny governemanta. Manara-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra […]
Taratra
Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo! “Tokony hipaka eny ifotony ny tena fitsinjaram-pahefana”
Nidina ifotony tany Antsirabe sy Betafo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiainam-pirenena. Nihaona tamin’ny vahoakan’ny kaominina Antohibe, any Betafo ny MMM, ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho […]
Antsonjombe sy Ambanja: nanatsinkafona ny tsy mety ny FJKM sy ny katolika
Nasiaka sy nahitsy avokoa ny teny fampianaran’ny fiangonana, omaly. Anisan’izany ny fanombohana ny taom-piasan’ny FJKM natao tetsy Antsonjombe sy ny fametrahana ny eveka tany Ambanja. “Mampalahelo ny zava-misy eto amintsika. Miharitra ny rano sy ny ala ary ny biby. Tena zava-doza ny ateraky ny famerana ny zaza ateraka fa zary […]
Mamono afo
Mirehitra ny afo, matoa misy mamono afo. Izay ny toe-draharaha etsy sy eroa, tsy hita be ihany amin’izao? Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, tsy mampatoky tena sy mila tsy ifampatokisana. Hatramin’ny olona ampiasaina na namana avy izao no misy mivadika, manoro hevitra na miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy. Manahirana […]
Fandrobana 100 tapitrisa Ar: roa lahy lavon’ny polisy, tratra ny mpampanofa basy
Ankoatra ireo jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, tratra ny mpiasa iray ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mpampanofa basy ireo jiolahy… Tsy niandry ela ny polisin’ny Fip, nanoloana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amina mpandraharaha jirofo iray tao Tanamakoa Toamasina, ny zoma teo fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Vola […]




