Ny 15 desambra 2021no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny fifanarahan’ny Unesco sy fanoratana ny kabary Malagasy ho ao anaty lisitry ny “harentsaina tsy azo tsapain-tanana hoan’ny zanak’olombelona” (Patrimoine culturel immateriel de l’humanité). Ny 15 janoary 2022 kosa no nambara tamin’ny fomba manetritrekitra izany, tao amin’ny lapan’Andafiavaratra. Nanomboka tamin’izay koa no […]
Taratra
Fampivelarana kolontsaina: saba-droa lela ny firoboroboan’ ny fampianarana zavakanto
Vao sokafana ny tambanjotran-tserasera isan-karazany… Mipoitra marobe ny « misokatra ny sekoly fampianarana… Endrika maneho fa hivelatra ilay zavakanto. Tsy ampy anefa raha hatreo ihany no hijerena ny tranga tahaka itony ! Mitombo isa fatratra ankehitriny ny fisokafan’ny sekoly na toeram-pampianarana zavakanto sy kolontsaina indrindra any amin’ny tanan-dehibe. Endrika maneho fa mivelatra […]
Vary mora : maka tombony ireo mpivarotra
Tsy araka ny vidim-bary ho 650 Ar, araka ny toromarika navoakan’ny fanjakana mikasika ny vidin’ny vary mora, ny zava-misy eny an-tsena. Mahatratra 700 Ar na 680 Ar ny kapoaka ivarotan’ny mpivarotra azy eny an-tsena. Misy ny maka tombony 70 na 30 Ariary amin’ny vidiny napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny varotra […]
Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe
Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olona any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka. Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy […]
Minisitra Soafilira Princia : tsy mivaro-janaka ny any Ikongo
Nanao fanambarana, omaly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo. Tsy mivaro-janaka ny Malagasy fa fomban’ny mpianakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana rehefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambaranan’ny komity […]




