Sehatra iray anisan’ny miroborobo fatratra ny kabary. Manamarina izany ny fitomboan’isan’ireo lazaina fa mpikabary. Fahiny, vitsy ihany ireo tafian-kaja sy voninahitra amin’io anaran’io. Saika ireo lehilahy anti-panahy sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina avokoa izy ireny. Taona maromaro taty aoriana, nipoitra tsikelikely ny tanora sy ny vehivavy ambara fa mpikabary. […]
Taratra
Kakao avy eto Madagasikara : tsara kalitao saingy tsy betsaka ny vokatra
14 783 t ny kakao avy eto Madagasikara naondrana tamin’ny 2021 nampiditra 24,5 tapitrisa dolara. Tsara kalitao ny vokatra any Ambanja, saingy tsy betsaka. Araka ny tarehimarika navoakan’ny Cnuced, tsy misy afa-tsy 0,12 % monja amin’ny vokatra eran-tany ny avy eto Madagasikara, tena mbola lavitry ny vokatra avy any Côte d’Ivoire […]
Depiote Rabehaja Jean : « Karohina ny marimaritra iraisana »
Mitovy hevitra amin’ny ben’ny Tanàna Toliara I, ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara I, Rabehaja Jean. Nohamafisiny fa miatrika ny fifindra-monina faobe vokatry ny fiovan’ny toetr’andro i Toliara, izay saika avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny ankamaroany. « Tsy voararan’ny Lalampanorenana ny fifezivezen’ny olona sy ny fananana, raha tsy misy ny […]
Fiaraha-miasa : antsoina hampiasa vola ny mpandraharaha tiorka
Noraisin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, teny Ambohidahy, ny Ambasadaoro tiorka, Ishak Ebrar Çubukçu. Dinika nifanaovana mikasika ny fifanakalozana ara-barotra sy fiaraha-miasa indostrialy. Nambaran’ny minisitra ireo vokatra tena ahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia ny lavanila, jirofo, kakao, letisia. Nahoana raha manjifa mivantana […]
Tafahoatra ny tsy an’asa any Toliara: hitondra fampandrosoana ny fisian’ny orinasa vaventy
Tsy mitsaha-mitombo ny olona tsy an’asa, manjaka ny tsy fandriampahalemana ao Toliara. Ho an’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, isan’ny vahaolana tsara indrindra amin’ireo ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, hamorona asa sady hitondra fampandrosoana ho an’ny ao an-tanàn’i Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana. Miray feo ireo tompon’andraiki-panjakana. Mirona miakatra ao an-tanàn-dehiben’i Toliara […]




