Noraisim-potsiny ireo jiolahy telo nangalatr’omby tao Ambatomitsangana, Kaominina ambanivohitra Ambatofahavalo, omaly.Nandositra rehefa avy nangalatra ny omby vositra tao amin’io fokontany io ireto jiolahy ireto. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra. Sarona tetsy Ankadindratombo niaraka tamin’ny olona nividy azy io omby halatra io. Rehefa natao ny […]
Taratra
Fanodinkodinana zaza : teratany karana iray naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay teratany karana voalaza ho nanodinkodina zaza tamina fiangonana iray etsy Andavamamba. Niatrika mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy teratany karana nampiresaka ireo telo mirahavavy tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, ny alahady teo. Tapaka taorian’izay fa alefa any am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa nahoraka tao anaty […]
Nanondraka rano mangotraka ny vadiny : voasazy herintaona an-tranomaizana ilay lehilahy
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana an’ilay lehilahy nikasi-tanana sady nanondraka rano mangotraka ny vadiny tetsy Ambohimiandra, ny volana feboary teo. Sazy mihatra herintaona an-tranomaizina. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ho an’ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny, nitaiza kely. Raha tsiahivina, may ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no […]
Toamasina : fitakiana ny hanokafana ny tetikasa Volobe II
Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny teto Toamasina, ny 15 marsa teo. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampizakantenan’ny mpanjifa mankany amin’ny angovo madio ». Nandray anjara ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa teto Toamasina nohotronin’ny avy any Antananarivo. Anisan’ny nasongadin’izy ireo ny hanokafana ny famokarana herinaratra, ny tetikasa Volobe […]
FEPA andiany faha-14 : fanentanana ny olona ho matihanina amin’ny fiompiana
Hiditra amin’ny andiany faha-14 ny FEPA (1) ny 4-5-6-7 mey 2023 ao amin’ny MPE (2) Nanisana. Tranoheva 128 no haneho ny fahaiza-manaony isaky ny fiompiana sy ny tontolo misy azy. Hita amin’io fotoana io ny fiompiana trondro, akoho amam-borona, bitro, kisoa, sns, fa ao koa ny sehatry ny fambolena mifameno […]





