Anatin’ny maitsoahitra tanteraka isika. Tena mampikolay ny vidim-piainana, indrindra ilay foto-tsakafo mampiavaka sy mampalaza antsika maneran-tany dia ny vary. Nikaikaika ny mponina, tsy ny an-tanàn-dehibe ihany, fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any. Tsy mampino hoe, any ambanivohitra, heverina fa misy ny maro an’isa, amin’ilay 80 % tantsaha no tena voa […]
Taratra
Toamasina : lehilahy valo matin’ny tsy fahampian-tsakafo sy alikaola
Mirongatra izaitsizy ny fahafatesana an-dalambe tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina. Namoy ny ainy noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fisotroana alikaola diso tafahoatra avokoa ireo olona ireo. Tao anatin’ny tapa-bolana, izany hoe, nanomboka ny 22 desambra hatramin’ny 5 janoary teo, olona valo namoy ny ainy ka hita faty […]
Vao manomboka ny taona… : sesilany ny vaky trano sy ny fanafihana ao Toamasina
Tsy misy fitsaharany ! Vao manomboka ny taona, sesilany sahady ny vaky trano sy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao Toamasina. Iray amin’izany ny zava-niseho teo amin’ny rond point-maison de retraite, Tanamakoa, omaly tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Nirefotra ny basy, voaroban’ny jiolahy roa, samy nitondra basy poleta , […]
Namontana : jiolahy iray voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe (CUI3) tetsy Namontana/Anosibe, afakomaly, ny jiolahy iray, raindahiny amin’ ny halatra sy fanafihana mitam-piadiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tamin’io fotoana io, lehilahy iray no narahana jiolahy efatra. Rehefa lasa lavidavitra, nohodidin’izy ireo ity raim-pianakaviana ity. Nony tafiditra afovoany, samy nanao ny […]
Famonoana mpamily fiarabe: olona telo voasambotra, iray hafa atao hazalambo
Tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena ireo olona miisa telo voatondro ho tompon’antoka namono ilay mpamily fiarabe sy ny mpanampy azy teny Ambohimangakely, iray volana lasa izay. Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha, mbola karohina fatratra kosa ny olona iray hafa niray tendro tamin’ity vono olona ity. “Nitondra menaka avy any Toamasina io fiarabe […]




