Hisy indray ny hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy, ahafahan’ny mpahay kanto sy mpandala kolontsaina samihafa miara-maneho ny kantony sy ny kolontsaina amina fotoana iray. Tafaverina ny hetsika rehefa tsy nisy tao anatin’ny fotoana vitsy, tokony hisiany. Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 8 avrily 2023, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba […]
Taratra
FMI : niakatra 11,5% ny vidim-piainana
Nilaza ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Mokhtar Benlamine, ny alatsinainy teo, fa niakatra ho 11,5% ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara ny janoary 2023, raha 10,8% ny desambra 2022. Nambarany fa, anton-javatra maro no mahatonga izany, toy ny fiantraikan’ny ady any Ukraine amin’ny lafiny toekarena maneran-tany. Niakatra ny vidin-javatra ankapobeny eo […]
Trafikana zavamananaina : maherin’ny 30.000 ny sokatra tratra naondrana antsokosoko
Manao tatitra isaky ny roa taona ny fikambanana iraisam- pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF, mikasika ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry dia. Voalaza fa tsy mitsahatra ny miha ratsy ny zava-misy maneran-tany. Nosinganin’ny WWF fa mirongatra ny trafika, ka isan’izany ny karazan-tsokatra sokake (Astrochelys radiata) eto Madagasikara sy maneran-tany. […]
Tontolo iainana : efa hatramin’ny andron’ny fahampanjaka ny fiarovana ny ala
Efa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no nampiharina voalohany teto Madagasikara ny poilitika momba ny fitantanana ny ala, indrindra ny fandrarana ny afo.Tsy mitsahatra mitatitra vaovao momba izany ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE). Tsy azo ataotao foana ny fikapana ala toy ny hanaovana trano, ary tsy karazan-kazo […]
Fitsarana Toamasina : mitombo ny antontan-taratasin’ady tsy voatsara taona 2022
Voalazan’ny tatitry ny fitsarana, anatin’ny fari-piadidiam-pitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, manana rantsamangaikam-pitsarana ambaratonga voalohany enina (Toamasina, Vatomandry, Ambatondrazaka, Moramanga, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana), samy anatin’ny faritan’i Toamasina, fa tsy misy afa- tsy 793 ny antontan-taratasin’ady momba ny ady heloka bevava voatsara, ny faran’ny taona 2021. Mitotaly 2 661 ny antontan-taratasin’ady notsaraina ny taona […]





