Taratra

Miroso tsimoramora !

Raha miteraka resabe ny politika sy ny tontolony eto Madaga­sikara amin’izao fotoana izao. Miroso tsimoramora kosa ny sehatra diplomatika. Manao ranolava ny fihaonan’ireo tompo­nandraikitra malagasy sy ny lehiben’ny masoivoho vahiny eto amintsika. Tsy sakana tsy hivelarana rahateo ny disadisa politika anatiny. Taratry ny fahavononan’ny firenena vahiny, manohana ny vahoaka malagasy […]

Fikasana hamono an’i Sendra : mitaky fampiharana lalàna amin’ilay vadiny ny fianakaviana

Mbola notanana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka ny vadiny, tetsy Ambohimiandra. Miandry ny valim-pitsarana ny 16 marsa izao, mitaky ny hampiharana ny lalàna ny fianakavian’ilay lasibatra. Niakatra fitsarana, afakomaly, ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny izay nitaiza kely. Araka ny nambaran’ny teo ani­von’ny fitsarana, averina […]

Fidirana an-tsokosoko : misy malagasy miray tendro amin’ireo maorisiana

Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. No­tohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. […]

Vazaha migadra : voasambotry ny zandary

Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana […]