Madagasikara izao ny filoha am-perinasa ny COI (Commission de l’Océan Indien). Niantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mpikambana ao amin’ny COI ny Malagasy ny 22 desambra 2022. Fivorina azo narahin-davitra (en ligne). Io fivorina tsy ara-potoana io no nahafahana nandray fepetra mialohan’ny fanavaozana ny COI. « Ranomasimbe Indianina ifampizarana », […]
Taratra
CBD Cop15: faritra arovana 30 mialoha ny 2030
Nankatovian’ny firenena miisa 196, ny 19 desambra teo, ny « Fifanarahan’i Kunming-Montréal », antsoina koa hoe « Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny tontolo iainana ». Tafiditra ao anatin’ny fivoriamben’ny firenena, CBD Cop 15 ity natao tany Montréal, Canada ity. Naharitra efa-taona ny ady hevitra, ny fifampiraharahana samihafa nandinihina ity, CBD Cop 15 ity, […]
Fetin’ny Noely Fampisehoana “Arbre de Noël”, nitondra aim-panahy”
Nahazo aim-panahy vaovao ny ankizy nandritra ny fankalazana ny Noely. Nasehon’izy ireo tamin’ny fampisehoana “Arbre de Noël” izany. Toy ny isan-taona, nikarakara hetsika “Arbre de Noël” nandraisan’ny ankizy anjara ireo mpanabe eny anivon’ny fiangonana rehefa fotoanan’ny Krismasy. Noely niavaka ny tamin’ity taona ity raha ny zavatra hita sy nasehon’ny ankizy. […]
51 ny tranga vaovao: iray lavon’ny Covid-19
Iray indray no lavon’ny valanarerina Covid-19, ny herinandron’ny 17 ka hatramin’ny 23 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 51 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 717. Mahatratra117 ny olona marary amin’izao fotoana izao ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga sarotra avokoa. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny […]
Mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana: novelomina ny fikambanana, filoha vaovao i Randrianarivelo Fidy
Firenena 58 no efa nampiditra ny tenin’ny tanana ho isan’ny teny Ofisialy ao aminy ka azo ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana ary misoratra anatin’ny Lalampanorenana. Ireo firenena mandroso no tena miroso amin’izany ka ahitana firenena afrikana ihany koa toa an’i Kenya. “Eto Madagasikara, mbola tsy misy fepetra manery ny fanjakana na ny […]




