Taratra

Fanendahana mpianatra : roa lahy tratra niaraka tamin’ny kitapo feno entana

Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voa­laza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Ni­sokatra tamin’izay ny fa­motorana. Nandefa polisy […]

Olona roa namoy ny ainy : mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina

Tao anatin’ny 48 ora, olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Toamasina. Mila fitandremana ! Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray, afakomaly hariva. Nitondra olona roa, avy nisotrosotra teny amoron-dranomasina izy ity. Voalaza ho niteraka ny loza ny hamamoana. Tsy voafehin’ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ny familina. Vokany, […]

Mandalo an-tanindrazana: manomana ny faha-35 taona nikosehana kapila i DJ Dina

Anisan’ireo mpikosoka kapila zokiny i DJ Dina. Maro ireo mahatsiaro ny fahatanorany tany amin’ny manodidina ny taona 2000 tany, raha maheno ny anarany. Monina any andafy ity mpikosoka kapila malaza ity, saingy mandalo matetika eto Madagasi­kara ihany. Eto indrindra izy izao, manomboka ny fankalazana ny faha-35 taona nikosehany kapila, amin’io […]

Compagnie Miangaly: miaina sy fitaratry ny fiarahamonina ny teatra

“Miaina ary fitaratry ny fiarahamonina ny anjara asan’ny teatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Com­pagnie Miangaly, Razafi­arison Fela, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Manana ny anjara asany ny teatra ary tokony homena sehatra sy an­jara fitenenana. Anisan’ny mampivelatra ny kolontsaina sy ny firenena ary ny maha olom-pirenena ny […]

« 7ème Dimanche classique » : hanafana ny AFT i Rindra R.

Amin’ny alalan’ny rantsantanana no hivoahan’ny aingampanahy ! Hanaporofo io fomba fitenin’ny mpitendry zavamaneno io i Rindra Ramarosandratana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «7 ème Dimanche classique» karakarain’ny Madagascar Mozarteum, hitendry ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany izy. Fampisehoana hotanterahina etsy amin’ny AFT Andava­mamba, ny alahady 5 marsa izao, manomboka amin’ny 4 […]