Taratra

To teny

Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka loharanom-pahefana. Amin’izao hoe Fanavaozana izao, ny hetsi-bahoaka no nahatonga ny mpitondra hahazo fahefana. Teo ny fitakiana famatsian-jiro sy rano, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana, ny famoronana asa… Tsy vitan’izany, nanampy fanamby amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota ny mpitondra. Mby aiza? Hatramin’izao, misy […]

Kolonely Randrianirina Mickaël : “Vaindohan-draharaha ny fitsinjaram-pahefana”

Nitokana ny masoivohon’ny Banky foiben’i Madagasikara, ao Antsirabe, afakomaly, ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola malagasy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Voaresany ny fanakaikezana kokoa ny vahoaka. “Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fana­vaozana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fa­metra­hana ny sampandraharaham-panjakana eny ifotony hanakaiky vahoaka.” Io ny ka­barin’ny filohan’ny […]

TSELATRA

Nifampisokirana tao anatin’ny taxi-be 119 ny mpamily iray, ny sabotsy 25 avrily teo. Nidona tamin’ny fefin’ny zaridainan’Ambohijatovo ny fiara rehefa nikasa hiakatra ny lalana miditra ny Tunnel Ambanidia. Nentina nihazo toeram-pitsaboana ilay mpamily naratra. Vehivavy iray nendahin’ny olon-dratsy ka voaroba ny vola 123 700 Ar sy karapanondro niampy taratasy hafa, omaly. […]

Farafangana : Roa lahy nahatrarana vola sandoka

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nampiasa sady nanaparitaka vola sandoka mitetina 4 260 000 Ar, tao amin’ny fokontany Amboanio, kaominina Fara­fangana, ny alin’ny zoma 24 avrily teo. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanàna. Miisa roa ireo olona ireo ary saika vola […]

Antsampandrano: Mpangalatra moto naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nangalatra moto tao Antsofinondry, distrikan’Avaradrano, ny zoma 24 avrily teo. Nitrangana halatra moto tao an-toerana, ny alatsinainy 20 avrily. Nentin’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco GP. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny moto very. Niroso […]