Laharana fahenina amin’ireo firenena azo tsidihina aty Afrika, ho an’ity taona 2026 ity, i Madagasikara, raha ny navoakan’ny Business Insider Africa. Mitana ny laharana voalohany ny Nosy Maorisy, manaraka i Botswana sy Namibia. Na izany, miavaka i Madagasikara matoa tafiditra ao anatin’ny firenena 10 voalohany amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe […]
Taratra
Banky Sipem: Tohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha
Vehivavy ny 30% ny mpandraharaha eto Madagasikara. Toy izany koa ny 61% ny mpanjifan’ny banky Sipem. Noho ireo, manome lanja manokana ny vehivavy mpandraharaha ity banky ity. Anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy ny hasarotan’ny fahazoana famatsiam-bola. Nambaran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny banky Sipem, Randriatsimialona Lanja, fa “omena tolotra manokana mifanandrify […]
Fanitarana ny Agoa : Andrasana ny valin-tenin’ ny loholona amerikanina
Andrasana amin’ny faran’ny volana ny fanapahan-kevitry ny loholona amerikanina mahakasika ny fanitarana ho telo taona ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Ny herinandro teo, nanao ny adisisika sy ny ezaka rehetra handresen-dahatra ireo loholona amerikanina tany Washington ny delegasionina malagasy. «Mety hisy ny latsabato amin’ny faran’ny volana, izay mety […]
Madagascar Airlines : Hampiasa ny fiaramanidin’ ny Tafika
Hampiasa ny fiaramanidin’ny Tafika Malagasy, LET- 410, ny kaompania Madagascar Airlines. Hanamora ny fitaterana ny vokatra any an-toerana izany, ary koa ho an’ny fizahantany. Voakasik’izany ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Toamasina, Sainte-Marie, Antalaha, Maroantsetra, Sambava, Antsiranana, Nosy Be. Nosantarina, omaly, ity zotra ity antsoina hoe Zébu Air. Fandaharanasa entina […]
FANTINA sy FINTINA
Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina […]




