”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]
Taratra
Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”
“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manomboka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]
Mety ho lasa lavitra
Samy manana ny fandraisany sy ny fandrefesany ny fahombiazan’ilay fitondrana ny isam-batan’olona. Misy ny mandokadoka mafy sy resy lahatra fa tena manao ilay fanjaka-miaramila. Sanatrian’ny vava, avadiky ny sasany ho fisolelahana diso tafahoatra aza. Tena toraka voninkazo tsy misy tahaka izany. Miedinedina mihitsy ho mahavita zavatra. Etsy ankilan’izay, tsy […]
Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano
Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondrarimalala Marie […]
TSELATRA
Lehilahy iray 20 taona, mpifoka rongony, voasambotry ny polisin’ny UIR ny sabotsy 17 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tany Antsirabe. Nifanehatra tamin’ ny polisy nanao fisafoana izy io izao tratra teo am-pifohana rongony izao. Monina ao Saharoaloha, Antsirabe, ihany izy. Nentina any amin’ny kaomisaria Antsirabe ho hadihadiana. […]




