“Ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 98% ny orinasa malagasy”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Rasoarahona Andriniaina. Fanehoan-keviny tao amin’ny fahitalavi-pirenena, andro vitsy lasa izay. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny indostria malagasy izany, ka entanina izy […]
Taratra
Fanaingana ny toekarena : Mila mifampatoky ny fanjakana sy ny mpandraharaha
Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, omaly ny “Dinika ho fanaingana ny Toekarena”. Tapaka fa hisy ny drafitrasa nasionaly mba tena hitondra fampandrosoana. Niray feo amin’ny hisian’ny fifampitokisana ny fanjakana sy ny mpandraharaha. Tontosa soa aman-tsara omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny « Dinika ho fanaingana ny toekarena » eto Madagasikara. Nilaza ny […]
FANTINA sy FINTINA
”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]
Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”
“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manomboka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]
Mety ho lasa lavitra
Samy manana ny fandraisany sy ny fandrefesany ny fahombiazan’ilay fitondrana ny isam-batan’olona. Misy ny mandokadoka mafy sy resy lahatra fa tena manao ilay fanjaka-miaramila. Sanatrian’ny vava, avadiky ny sasany ho fisolelahana diso tafahoatra aza. Tena toraka voninkazo tsy misy tahaka izany. Miedinedina mihitsy ho mahavita zavatra. Etsy ankilan’izay, tsy […]




