Taratra

Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondra­rimalala Marie […]

TSELATRA

Lehilahy iray 20 taona, mpifoka rongony, voasambotry ny polisin’ny UIR ny sabotsy 17 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tany Antsirabe. Nifa­nehatra tamin’ ny polisy nanao fisafoana izy io izao tratra teo am-pifohana rongony izao. Monina ao Saharoa­loha, Antsirabe, ihany izy. Nentina any amin’ny kaomisaria Antsirabe ho hadihadiana. […]

Zazavavy maty voaolana tetsy Ambohimalaza: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Lehilahy iray mpiambina tanàna no voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, omaly. Voarohirohy tamin’ny famonoana sy fanolanana ankizivavikely iray teny an-toerana izy io, ny alahady 19 janoary 2026 lasa teo. Voa­laza fa efa nanao fihetsika hafahafa tamin’io ankizivavy hita faty io, ilay lehilahy, talohan’ny zava-nitranga, raha ny fanazavana […]

Lehilahy natsingevan’ny rano : Tombanana ho efa maty tao anatin’ny telo andro

Hita omaly tamin’ny 4 ora latsaka fahefany hariva, tao anaty rano, teo ambonin’ny tohodrano iray ao amin’ny fokontany Ankorombe, disitrikan’Ambositra, ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray tokony ho 30 taona. Mpanjono niampita teny an-toerana no nahita olona natsingevan’ny rano ka nampandre ny manam-pahefana. Vory lanona ny fokonolona teny amin’ny manodidina vantany […]

Nalefa eny Imerintsiatosika, halina: Naiditra vonjimaika am-ponja ny Jly Ravalomanana Richard

22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy. Nalefa eny amin’ny fon­jan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Ri­chard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana […]