Taratra

Kitra vehivavy: tsy nomena kianja Vélodrome

Zendana ny mpanaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny baolina kitra vehivavy, omaly alahady teto Antsirabe. Tsy navela hotanterahina tao amin’ny kianja Vélodrome ny fifaninanana, noho ny fisian’ny baolim-pokontany. Manamaivana ny fifaninanam-pirenena izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny federasiona, izay nilaza fa efa nandefasana taratasy ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe […]

Kitra – Orange Pro League: resy daholo ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nitranga ny tsy nampoizina, teo amin’ny andro fahefatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Samy tojo faharesena avokoa mantsy ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Elgeco Plus, tompon’ny am­boara. Omaly, tany amin’ny kianja Manakara, lavon’ny Dato FC, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 […]

Bodybuilding-Tompondaka eran-tany: nandrombaka medaly alimo i Stessy

Nifarana omaly, tany Thaillande, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Bodybuilding. Tsy niveri-maina ny delegasiona malagasy fa niambozona medaly. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny alimo iray. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, eo amin’ny taranja Bodybuil­ding. Fifaninanana notanterahina tany Thailande, ny 9 ka hatramin’ny 11 […]

“Miray marotady” : Nianjoria niaraka tamin-dry Babai Lugu ireo mpankafy !

Fampisehoana tsy dia mahazatra ny « Miray marotady », tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly alahady. Tsy nahasakana ny mpankafy mozika ny fiovan’ny anaran’ny tarika Alalà ho Babai Lugu, fa vao mainka aza toa nandrisika azy ireo tonga nameno ny toerana. Ny ankamaroan’ny mpijery dia efa naharaka tsara ny mozikan’i Goul sy ny […]