Tsy miova ny vidin-tsolika mandritra ity volana ity raha toa ka niandry fiakaran’izany avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa. Izany hoe, mbola 4 900 Ar ny litatry ny lasantsy (Super Carburant SP 95). Vidiana 3 510 Ar/ litatra ihany koa ny solika fandrehitra (Pétrole lampant) ary mijanona ho 4 660 Ar ny […]
Taratra
Tetikasa Volobe: Manomboka amin’ity taona ity ny asa
Hanomboka amin’ity taona 2026 ity ny tapany faharoa amin’ny tetikasa tohodrano Volobe Amont any amin’ny faritra Atsinanana. Folo taona izay no niomanana. Hifantoka amin’ny fanamboarana lalana sy fotodrafitrasa ny asa voalohany, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV), i Rémy Huber. “Tanjon’ny fanjakana sy ny CGHV […]
FANTINA sy FINTINA
Nanoina ny antso avo nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny vahoakan’i Fianarantsoa ka tonga marobe nanatrika ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, tany an-toerana, ny herinandro teo. «Nangirifiry ny tsindry nataon’ny fitondrana teo aloha koa tongava isika», hoy izy. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpahay lalàna, […]
Fanodinkodinam-bola FSM : Olona enina nidoboka eny Tsiafahy
Olona folo sy orinasa enina no voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana teo anivon’ny Fonds souverain malagasy (FSM), araka ny tatitry ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, sy ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo. Nampangaina ho nanao fanararaotam-pahefana izy ireo. Teo koa ny fanomezana tombondahiny manokana, fanodinkodinam-bolam-panjakana, famotsiam-bola sy fahazoana […]
Marina… malina
Fitakiam-bahoaka teny an-dalambe no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Voalohany sy lehibe ary maika tamin’izany ny amin’ny famatsian-jiro sy rano. Teo koa ny vidim-piainana, ny famoronana asa, ny fandriampahalemana… Mby aiza? Ekena, misy ny ezaky ny fitondram-panjakana. Tsy ho vita indray andro, tsy ho vita indray manezaka… Na izany […]





