Notontosaina nanomboka ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, ny lanonana fanokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, Cadet ary Juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany ity fifanintsanana ity. Mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy zandriny. […]
Taratra
Volley-U19: Tompondaka ny MVBC sy ASI
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ekipan’ny MVBC Boeny, rehefa nandavo ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 1. Azo lazaina ho nahavita […]
« RUGBY AROI 2026 » : Tsy nisy nivoaka teto Madagasikara ny amboara
Norombahin’ny Makis avokoa ny amboara rehetra nandritra ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana, « Aroi », sokajy U16, lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fahombiazana no azon’ny ekipam-pirenena malagasy Makis nandritra ny fifanintsanana Rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana «Aroi», ho an’olona fito. Hetsika izay natao tetsy Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 1 tapitrisa ireo hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’ny “Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo 2” (PIAA 2). Tetikasa miompana amin’ny fanamboarana ny lakandrano hisorohana ny tondradrano amina faritra maro eto an-drenivohitra. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ny dingana voalohany amin’ny tetikasa. Hanombohana azy ny eo Analakely, Antanimena ary […]
POESAM 2026: Tanora mpandraharaha asaina haneho hevitra
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara ny andiany faha-16 amin’ny «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et au Moyen-Orient (Poesam)». Hetsika karakarain’ny Orange Madagascar hanohanana ny fanavaozana misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana. Misokatra hatramin’ny 10 mey 2026 ny fisoratana anarana ho an’ireo mpandraharaha sy mpikarakara tetikasa rehetra handray […]





