Taratra

Terak’Imady Ambohipo : Nahaliana an’Antananarivo ny Savika

Nahaliana ny mponina teto Antananarivo ny hetsika ara-kolontsaina Betsileo, Savika, nokarakarain’ny terak’Imady Ambohipo na fikambanana Fitia. Tetsy Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrika Avaradrano, no nanatanterahina izany. Nanafatra mpisavika manokana avy any amin’ny faritany niaviany dia ny Betsileo ireo mpikarakara nanomezana aina tsara io kolontsaina io. Tao koa ireo zanaky ny faritra […]

Voka-pikarohana Life plan: Nahitana bibikely sy zavamaniry tsy mbola voarakitra

Nampahafantarina omaly, teny Fiadanana, ny tatitry ny valim-pikarohana Life plan, natao nandritra ny dimy taona, teto amintsika eny anivon’ny faritr’ala 30. Napetraka tamin’ireo toerana ireo ny fandrika fijerena ny karazam-biby any anaty ala, misy ny fandrika feo, ny sary ary ny fandrika bibikely. Nangonina ireo antontan-kevitra azo nandritra ny dimy […]

Basikety-Tanà Ville: Maro ny famaranana amin’ny faran’ny herinandro

Efa manomboka miroso any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana eo anivon’ny seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Raha ny fandaharam-potoana amin’ny faran’ity herinandro ity, hisy lalao famaranana maro hitranga. Eo amin’ny sokajy N1B, hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny NBE. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eto amintsika, ny 30 marsa ka hatramin’ny 4 avrily, ny « Mission économique Tunisie-Madagascar ». Hetsika hanamafisana ny fifanakalozam-barotra sy traikefa eo amin’ny firenena roa tonta. Hasongadina manokana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fandraharahana. Marihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika i Tonizia noho ny fananany fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny […]