Mandray anjara feno amin’ny fanamarihana ny Volana natokana ho fankalazana ny zon’ny vehivavy ny andriambavilanitra ao amin’ny orinasa Star. Nanome tanana ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo, ny 11 marsa teo. Nisy ny fanolorana kidoro natao manokana ho ampiasain’ny hopitaly, hanatsarana ny fandraisana ny marary tsaboina ao, amin’ny alalan’ny fitaovana […]
Taratra
Herisetra ao an-tokantrano: Tena misy ny fanolanana ny vady
Tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina ny fanolanana ny vady ao an-tokantrano saingy hodian-tsy hita na tsy misy sahy miresaka. Rehefa atao an-tery ny firaisana na mpivady aza dia efa herisetra ara-pananahana izay. “Matetika tsy mbola eken’ny sain’ny Malagasy ny tranga fanolanana eo amin’ny mpivady kanefa tena mateti-pitranga izany”, hoy ny […]
Basikety 3×3 – “Champion’s Cup” : Hiakatra an-kianja, anio, ny Ankoay
Anio no hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champion’s Cup”, taranja basikety, izay hatao any Bangkok Thaïlande. Ny Ankoay lehilahy no hisantatra izany, anio, amin’ny 2 ora sy 5 minitra, ka ny ekipan’i Australie no hifanandrina voalohany amin-dry Elly, Livio, Arnol ary i Anthony. Aorian’ […]
Trail d’Ibity andiany faha-10 : Hanangonam-bola ho an’ireo ankizy sahirana
Hotanterahina any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ao Ibity, ny 19 avrily ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka mitety vohitra sy natiora, “Trail d’Ibity” andiany fahafolo. Toy ny tamin’ny taona lasa ihany, natao hanangonam-bola homena ireo ankizy sahirana ara-tsakafo ny hetsika. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, mpandray anjara 1 500 eo […]
Cie Théâtre Bazar : Hitondra an-tsehatra ny « Bouches cousues »
Eny, teny frantsay ny lohateny ary amin’ny teny frantsay ny tantara…Maneho ny zava-misy marina eto Madagasikara anefa ilay piesy « Bouches cousues », nontontosain’i Filip Auchère. Haseho etsy amin’ny IFM Anakalely izany, rahampitso 14 marsa, amin’ny 3 ora tolakandro. Farimbon-talenta fanta-daza eo amin’ny sehatry ny teatra maoderina, satria dia i Gad Bensalem […]





