Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny roa lahy tratra nangalatra tongolo iray gony teny Talata Volonondry, ny talata lasa teo. Voasambotry ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny talata 10 marsa 2026 lasa teo izy ireo. Voarohirohy sy tratra nangalatra entan’olona tongolo iray gony tao an-tsena. Andron’ny tsena […]
Taratra
Anatihazo Isotry : Roa vavy tratra nangarom-paosy
Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Anatihazo Isotry ny vehivavy miisa roa, ny alakamisy 12 marsa 2026, maraina. Tratra nangarom-paosy nanoloana ny Fiangonana katolika iray eny an-toerana izy ireo. Miasa mangarom-paosy ireto farany ary ireo mirava avy mivavaka no tena kendreny. Miandry eny amin’ny manodidina ny fiangonana izy ireo, mitily olona mirava […]
Olona iray notanana eny amin’ny zandary : Mpamily hita faty nokendaina tanatin’ny fiara nentiny
Nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty fiara mpitatitra entana, tetsy Miadana Alasora, omaly maraina. Nahitana mangana ny tendany, ary ahina ho nokendaina ny nahafaty azy. Olona iray notanana sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny zandary. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty fiara Hyundai camionnette miloko fotsy, tetsy Antanety, fokontany Miadana, […]
FANTINA sy FINTINA
Hamelabelatra ny « Antso avo ho an’ny Tetezamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava » ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. Hotanterahina, anio, etsy amin’ny foiben’ny Rohy, Ambatonakanga, izany. Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ireo fiarahamonimpirenena an-jatony herinandro vitsy lasa izay, niresaka ny momba izany. Nitohy teny Ambatofahavalo ny hetsika fanohanana ireo […]
Fananana ny maro an’isa eny Tsimbazaza: Mitaky praiminisitra avy amin’izy ireo ny Irmar
Naneho ny heviny manoloana ny ho fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nohitsiny fa manana ny maro an’isa ny vondrona parlemantera Irmar eny Tsimbazaza raha hampiharina ny Lalàmpanorenana, nanaovan’ny filoham-panjakana, fianianana ny 10 oktobra teo. « Tsy manana zo hiditra na hifindra […]





