Efa-bola aty aorian’ny nananganana azy, rava ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Raha ny vaovao farany voangona, ao anatin’ny folo andro no hahatafatsangana izay ho mpandimby. Rava omaly hariva ny governemanta araka ny vaovao nivoaka tao amin’ny pejy facebook-n’ny fiadidiana ny Fanavaozana (PR RM). Voalaza ao fa ny filohan’ny Fanavaozana […]
Taratra
« 25 taona isika… » : Nampiray hina ny Malagasy ny tarika AmbondronA
Seho nahasarika olona maro ! Tafiditra anisan’ny seho fanombohana ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika no hoenti-manampy ireo traboina sy sahirana noho ny fandalovan’ny rivodoza tany Toamasina. Feno tanteraka ny P1 etsy amin’ny Kianjan’ Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana notanterahin’ny tarika AmbondronA. Jery ankapobeny, tsara fanombohana ireo hetsika na fampisehoana […]
Trano Kolotoraly Malagasy: Nodimandry Randrianjatovo Henri
Maro ireo nahita soa avy aminy na teto an-tanindrazana na ny any ivelany. Randrianjatovo Henri, iray amin’ireo oloben’ny fahalalana ara-panahy no tsy eo intsony. Sabotsy 7 marsa 2026, nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany, Randrianjatovo Henri filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Sehatra maro no nahafantarana azy. Goavana indrindra tamin’izany ny tontolo ara-panahy, […]
Rugby – XXL Top 12: Lavon’ny Cosfa (Bebaoty) ny Tam
Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahafito hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny XXL Top 12. Voahaja ny lojika raha ny vokatra. Anisan’izany, lavon’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa (39) no ho (23) ny Tam Anosibe. Nanantombo teo amin’ny tanjaka ny miaramila, izay nanafangaro ny lalaony, […]
Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina omaly tao amin’ny Boulodrome Douaisis, France. Resin’ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy […]





