Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny […]
Taratra
Volley-ball – CCCOI 2026 : Nihambozona medaly volafotsy ny Zandary lehilahy
Narovan’ny zandary lehilahy ny voninahi-pirenena tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), taranja volley-ball. Tompondaka lefitra izy ireo, ary nitondra medaly volafotsy nody. Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Victoria Seychelles, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Heverina hiverina amin’ny laonina ny famatsiana solika ao Toliara manomboka androany. Kamiao lehibe roa mitondra solika avy any Toamasina no nalefa vonjimaika hamatsy ireo tobin-tsolika any an-toerana. Marihina fa nisy ny fikorontanan’ny famatsiana noho ny fahataran’ny sambo mitondra izany. Tombanana ho efa tonga ao amin’ny seranan-tsambo, omaly, ny sambo mpitatitra […]
Tombola Cosmos Madagascar : Nomen-danja manokana ny mpanjifa
Nanome valisoa sy loka manokana ho an’ireo mpanjifany ny Cosmos Madagascar. Tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tombola roa lehibe, tombola krismasy sy fankalazana ny faha-10 taona izany. Natao teny amin’ny Paon d’Or Ivato, afakomaly, ny fizarana izany ho an’ny teto Antananarivo. Ny 5 marsa lasa teo kosa ny fizarana ho an’ny […]
Fianarantsoa : Mitaraina ny tantsaha mpamboly « orge »
Mampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fambolena « orge », akora fototra hanamboarana labiera. Mitaraina, ankehitriny, ny mpamboly any Fianarantsoa. Nihena ny tinady, izany hoe, ny famandrihana ataon’ny mpandray ny vokatra, ka voatery nahena koa ny velaran-tany ambolena « orge ». Voafetra ho 850 ha sisa ny fitambaran’ny velaran-tany, raha 1 200 ha teo aloha. Nihena, […]





