Taratra

“CAN 2027” : Mety hiova ny lalàna amin’ny fifanintsanana

Mety hiova ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Can 2027”, araka ny fikarohana natao omaly. Ireo laharana voalohany sy faharoa telo mendrika indrindra ihany no mahazo tapakila mivantana ary mandalo lalao sakana ireo fire­nena faharoa ambiny. Efa mandeha ny resaka any ivelany fa hisy ny fa­novana ny làlana amin’ ny dingan’ny fifanintsanana […]

Famokarana herinaratra: Maro ny loharanon’ angovo azo trandrahina

Ny Jirama hatrany no fantatra rehefa miresaka ny sehatra angovo eto Madagasikara. Maro nefa, hoy ny mpikirakira azy, ireo mpisehatra miara-misalahy amin’ny famokarana sy fampihodinana izany. Rano, masoandro, rivotra, ranomasina… «Mbola ambany ny taham-pisitra­han’ny Malagasy herinaratra noho izy mitaky famatsiam-bola, manampy trotraka ihany koa ny fikirakirana antontan-taratasy samihafa », hoy […]

INDRAY MIJERY

Natao omaly ny lanonana fanombohana ny asa fananganana Lycée vaovao ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, izay iandraiketan’ny kaominina ao an-toerana. Etsy andaniny, tsy manaiky ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ao anatin’ny faritry ny EPP ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amn’io EPP io. Nanazava ny ben’ny Tanàna fa hiavaka tsara ny lycée […]

Zon’ny ankizy : Maika ny fijerena ny sakafo sy ny fanabeazana

« Efa 30 taona mahery ny naneken’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy raha ny ara-taratasy (reforme légale), ny fanatanterahana isan’andro mbola olana ». Io ny nambaran’ny filohan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy (PSCFE), ny maître Rahari­narivonirina Maria, omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Manao antso ny fikambanana miisa 66 […]