Taratra

Fisavana sandoka tetsy Antehiroka: Miaramila roa voasambotra, efatra hafa tafatsoaka

Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafapo­ritsaka […]

Amoron’i Mania : Basy mahery vaika miisa 41 nogiazana

Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona. Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Ma­nia. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fi­taovam-piadiana fampiasan’ny […]

Tsipy kanetibe tompondakan’i Afrika : Hanatevina ny ekipan’ny Pac i Mirija (Fakr)

Nanainga omaly ny eki­pan’ny Pac (Pétanque Ampi­ta­tafika club), hiatrika ny an­diany faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025. Fifaninanana hotante­rahina ao Nouakchott, renivohitr’i Mau­­ritanie, manomboka raha­m­pitso sabotsy 22 hatramin’ny alakamisy 28 novambra ho avy izao. Raha tsiahivina, nandrombaka ny voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ity klio­ban’Ampitatafika ity, izay misy an’i Mamy […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo laharana iray indray ny Barean’i Madagasikara tamin’ny filaharan’ny Fifa, izay nivoaka afakomaly. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy, ary aorian’izy ireo i Armenia, ilay firenena resin’i Portugal, 9 no ho 1, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Nitohy omaly ary hifarana […]

Échec-Analamanga : Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana

Fantatra omaly ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny birao hitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échec. Hotanterahina ny 20 desambra izao izany fifidianana izany ka efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hirotsaka ho fidina hitantana ny ligin’Analamanga, ho an’ny efa-taona manaraka. Nanomboka omaly 20 novambra ary hifarana ny 5 […]