“Araka ny antso nataon’ny Vondrona afrikanina, ny governemanta malagasy dia manamafy fa ny fifampiresahana sy ny diplaomasia ary ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena ihany no lalana hahazoana mampitony ny disadisa sy mitandro ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra”. Io ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny ady any […]
Taratra
Samia mandinika
Tsy hay mazava ny tena fandehan’ny raharaha eto amin’ny tanàna. Mandeha tsimoramora eny ny zava-drehetra, raha atao indray mitopy maso. Toa mikatso izany indray anefa rehefa zohina akaiky. Tsy hay intsony ny zava-miseho sy zava-mitranga. Ny fivezivezena etsy sy eroa aloha izao no malaza. Misy aza ny taraiky any […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miomana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Polisy”
Nosokafana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonadoham-pirenen’ny polisim-pirenena. Nitarika izany ny filohan’ ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. “Efa tafiditra amin’ny lalana sy dingana arahina mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena izao”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nivoitra izany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny […]
Nahitana fibontsinana ny lamosiny: Zazavavy 3 taona matin’ny valanaretina Mpox
Namono olona iray ny valanaretina Mpox na nendran-gidro teto Madagasikara. Zazavavy 3 taona namoy ny ainy teny anivon’ny hopitaly CenHoSoa Soavinandriana, ny alin’ny sabotsy tamin’ny 12 ora. Efa narary andro vitsivitsy izy io talohan’ny nitondrana azy tany amin’ny hopitaly, etsy Andohatapenaka io zaza io. « Efa ratsiratsy ny fahasalamany tamin’ny fotoana […]
Andohatapenaka : Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana ny sabotsy 28 febroary teo, notanana vonjimaika eny am-ponja, ny lehilahy iray voasaringotra tamin’ny halatra moto teny Andohatapenaka. Nangalarin’ny olon-dratsy ny moto scooter iray ny marain’ny 25 febroary lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpanao ratsy tao amin’ny toerana nisy io fananany io ny tompon’ny moto. Voatery nanao […]





