Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny fikambanana EauSoleil Paca, notokanana ny tambajotra famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny EauSoleil Paca amin’ny fampiofanana, andiany faharoa, mahakasika ny fametrahana tambajotran-drano […]
Taratra
Fanavaozana ny fampianarana: Haharitra efa-taona ny fandaharanasa Pitaf
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Antaninarenina, ny fandaharanasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tohanan’ny Partenaire mondial pour l’éducation (GPE) sy ny mpiray ombon’antoka telo dia ny AFD, Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Efa nosantarina ny taona 2025 ny asa ary hitohy hatramin’ny taona 2029. Ho fanavaozana ny […]
Laboratoara Leader : Manomboka miara-miasa amin’ny mpikaroka
Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra ny laboratoara Leader eo anivon’ny sekoly ambony ES DES, amin’izao fotoana izao. Misokatra ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny avy amin’ny Oniversitem-panjakana ihany. « Natao ity laboratoara ity hampitomboina ny tahan’ny manampahaizana eto Madagasikara », hoy i Manjaka Rakoto David, talen’io […]
Madagascar Natonal Park : Miha matotra hatrany ny fitantanana
Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany (1991-2026) ny Madagascar Natonal Park (MNP). Manamafy ny ezaka hitahiry ireo valanjavaboahary 49 tantaniny ny ekipa manontolo. Omaly no nisantarana ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny Madagascar Natonal Park (MNP). Nitokanana koa ny foiben-toerana etsy Ambatobe izay nanokanana fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fiasana maromaro hanampy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana ho an’ny Oniversite, «Ma-Hery Futsal», karakarain’ny Fief Mada. Hatao rahampitso kosa ny famaranana amin’ity hetsika ity. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Ny ekipan’i Senegal indray no miandry ny ekipa malagasy Ankoay, anio alina, amin’ny […]





