Taratra

Itaosy : Jiolahy efatra naiditra am-ponja

Mpamaky fiara nandroba lelavola mitetina 15 tapitrisa Ar, niampy volamena sy finday, notanana vonjimaika any am-ponja, ny zoma 27 febroary lasa teo. Nitrangana asan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ambohijafy, kaominina Bema­soandro Itaosy, ny alin’ny 21 febroary lasa teo. Namonjy lanonana ny tompony ka na­vela amoron-dalana ny fiara. Nosokirin’ireo mpanao ratsy anefa […]

Andekaleka : Nitokona ireo mpitrandraka volamena

Niakatra an-tanàna, nampihorohoro ny mponina ireo mpitrandraka volamena ao Andekaleka, afakomaly. Nitaky ny hamoahana ny namany izay notazomina izy ireo. Miady volamena amin’ny toerana manan-tompo ireto andian’alona ireto. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka anefa izy ireo saingy nanao an-keriny hatrany. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny ben’ny Tanàna miasa ao […]

Tsy nahazo anjara lova: Maty novelesin’ny zafikely angady ny raibeny

Fialonana noho ny tsy nahazoany anjara lova, novelesin’ilay lehilahy tamin’ny angady, maty tsy tra-drano ny raibeny, tao amin’ny distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Mampanaotao foana ny fitiavan-karena diso tafahoatra! Lehilahy iray namono nahafaty ny raibeny rehefa tsy nahazo anjara lova tao amin’ny fokontany Ambohimiadana-Ambatofaha­valo, distrikan’Atsimondrano, ny sabotsy 8 febroary teo. Niala ny trano […]

Mila fantarina ny maika : Diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy

Manana ny mampiavaka azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny teny. Niharan’ny olana lehibe rehefa tafiditra tao anaty fanjanahantany… Ezahina harenina ankehitriny… Niara-nisy tamin’ny fisian’ity Nosy ity ny teny. Faritra maromaro eto Madagasikara no mbola nahatahiry io teny fototra io amin’ny ampahany lehibe tokoa. Ny hafa, nanafangaro izany tamin’ny fitenin’ireo mpihavy […]

“Festival du Film Francophone” : Halefa ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy

Hanamarihana ny iray vo­lan’ny Frankôfônia ny “Festi­val du Film Francpophone”. Ho an’ny eto Madagasikara, ho­tontosaina ny alarobia 4 marsa sy ny sabotsy 7 marsa izany, etsy amin’ny IFM Ana­la­kely. Nosafidiana manokana ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy amin’ity. Tsy miala amin’ny lalantsaina novoizina hatramin’izay anefa, dia ny sarimihetsika amin’ny teny frantsay, […]