Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), Andrianirina Adrien. Tamin’izany no nilazany fa hiatrika fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial” miisa roa i Madagasikara, amin’ity. Voalohany, ny “senior” olon-telo miaraka, lehilahy, hotanterahina any Malaisie, ny 17 – 21 septambra ho avy izao. […]
Taratra
Karate-Mada, ankizy sy vehivavy: Nitombo ny isan’ny mpandray anjara
Nanomboka omaly, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, ho an’ny taona 2026. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara. Raha 420 teo ny tamin’ny taon-dasa, niakatra ho 700 be izao ny amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. […]
Lalao ara-pirahalahiana : Fantatra ireo firenena roa hidona amin’ny Barea
Ny ekipan’i Kirgizistan sy i Ouganda no hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana. Tafiditra ao anatin’ny « Fenêtre Fifa », izay hatao amin’ny volana marsa ho avy izao, any Torkia, izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao, fantatra ny anaran’ireo firenena hidona amin’ny Barea amin’ny lalao ara-pirahalahiana. Hotontosaina ny volana […]
VAOVAO TAMBATRA
Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny fambolena. Mandrafitra ny 30% ny harinkarena izy, 40% ny sehatry ny fanondranana ary mampiasa ny 70% ny Malagasy. Na izany aza, antsakasaky ny karaman’ny ankamaroan’ny tokantrano ny vola azo avy amin’ny sehatra. Ity farany izay mbola antoky ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano, izay mbola miaina ao […]
Fandaharanasa Creskèr : Tohana ho an’ny fampivoarana ny fandraharahana
Tonga eto Madagasikara ny Creskèr hanampy ireo mpandraharaha hampivelatra sy hampiroborobo ny orinasany amin’ny alalan’ny fandaharanasam-panofanana. Tanjona ny hanohanana ireo mpandraharaha manana andraikitra stratejika amin’ny fampivoarana ny orinasa hahafahany mandinika sy miatrika ny zava-misy sy hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny andraikitra sahaniny. Tetikasa izay nampahafantarina tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny alakamisy […]





