Taratra

Banky AFG sy NIM: Fiaraha-miasa manakaiky ny mpanjifa

Sambany! Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fiaraha-miombon’antoky ny samy mpisehatra amin’ny tontolo ara-bola. Nampahafantarina omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky AFG sy ny Ivontoerana sampandraharaha ara-bola madinika vaovao (NIM). Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny NIM, Harizaka Rakoto, fa zava-baovao tokoa ity fiaraha-miasa ity. Mifameno ireo, koa, azo atao ny mikirakira vola […]

Siansa ara-pambolena: Hampitombo voka-bary 2 tapitrisa taonina fanampiny

Nihaona tamin’ny governemanta sy ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika ireo tale jeneraly avy amin’ny ivontoeram-pikarohana ara-pambolena CGIAR. Nojerena ny paikady ahafahan’ny fikarohana ara-tsiansa manampy amin’ny fomba famokarana ara-pambolena sy ny rafitra ara-tsakafo. Nandray anjara tamin’ny atrikasa siantifika, natao teny amin’ny Oniveristen’ Antananarivo, ny 26 febroary teo, ireo Tale jeneraly (DG) […]

FANTINA sy FINTINA

Firenena efa niara-niasa hatramin’izay i Madagasikara sy i Frantsa, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina. Efa manana tantara iraisana koa hatramin’izay… Mitohy ny fiaraha-miasa. Nangatahin’ny Malagasy hatramin’izay ny fanavaozana ny fiaraha-miasa mba hahazoan’ny Malagasy tombony. Manohana sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny […]

Randrianirina Jean-Ignace : “Tsy mitovy tamin’ny 2009 ny tondrozotra amin’ity”

“Tamin’ny 2009, nazava hoe fizarana seza ny tondrozotra. Nisy ankolafy nampihavanina. Eo izany ny fanda­minana ny fitantanana ny fitondrana amin’ity, tsy misy hampihavanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny resabe etsy sy eroa ny amin’ny hoe fisiana tondrozotra amin’izao fitondrana izao. Ny tondrozotra […]

Raha mba mifanaja!  

Manahirana ny zava-miseho, indraindray, rehefa ny olona no tsy vonona ny hihaino sy hifananatra amin’ny tsara. Sarotra ny serasera rehefa tsy ny saina no miresaka fa ny fo sy ny hambom-po diso toerana. Saro-pady anatin’ny fitantanana ny raharaha anaty manontolo iray anefa izany. Indrindra amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Tsy kilalaon-jaza, […]