Taratra

Taom-piotazana letisia : Mbola tsy fantatra ny fatra aondran’i Madagasikara

Nisokatra tamin’ny sabotsy ny taom-piotazana letisia 2025. Efa vonona avokoa ireo mpandraharaha rehetra hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fanondranam-bokatra. Na izany, tsy mbola fantatra ny fatra aondrantsika any ivelany noho ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Ankilany, nanomboka ny zoma 14 novambra ary hikatona rahampitso ny « guichet unique » ho fikirakirana ny antotan-taratasy […]

Tahirim-bolam-pirenena : Ampy hanafaran’entana mandritra ny enim-bolana

Mitentina 3 194,3 tapitrisa dolara ny tahirim-bola ananantsika tamin’ny faran’ny volana septambra, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena ataony isaky ny telo volana. Mahavita mandrakotra ny fanafarana entana mandritra ny enim-bolana mahery (6,2), izany hoe, hatramin’ny volana marsa 2026 ity devizy ity, raha oha­rina ny […]

INDRAY MIJERY

Nanolotra fanampiana vokatry ny téléthon, izay nokarakarainy ny fikambanana Association Fem­me Antesaka pour le Changement (Facha). Naterina teny amin’ny BNGRC izany, izay rafi-panjakana tokana misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindony ary ny fandrindrana ireo hetsika fanampiana amin’ny vonjy voina. Maro karazany ireo fanampiana voaangona nahitana fitaovana fampiasa an-dakozia, […]

Mbolatiana Raveloarimisa: Notolorana ny mari-boninahitra ambony

Nampiakarin’ny Repoblika Frantsay amin’ny laharam-boninahitra ambony, Cheva­lier de l’Ordre national du Mérite, Raveloarimisa Mbola­tiana, mafana fo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Tamin’ny alalan’ny masoivoho frantsay, Arnaud Gu­lois, no nanomezam-boninahitra azy amin’ny maha vehivavy feno fanoloran-tena sy be herim-po ary mitolona tsy tapaka amin’ny fitakiana ny fanajana ny maha olombe­lona. Nahafantarana ity […]

Fampianarana sy Seces : Hiara-hanarina ny fampianarana ambony

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana aratsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy ny birao nasionalin’ny sendikàn’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra (Seces) notarihin’ny filohany, Dr Randriamialinoro Faliarivony ny herinandro lasa teo . Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny sendikà ho fanarenana sy […]