Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Nahatrarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo. Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Maintirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena […]
Taratra
Fivarotana sary mamoafady : Nalefa eny Antanimora ny tompon’antoka
Natolotra ny fampanoavana ny 12 novambra 2025 teo ny vehivavy 24 taona, tompon’antoka tamin’ny fivarotana sary mamoafady, an’ ankizy tsy ampy taona. Taorian’ny fakàna am-bavany azy teo anatrehan’ny mpitsara, nadoboka vonjimaika eny Antanimora ny tenany, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Maro ny sarina zaza sy ankizy malagasy tsy ampy taona mivoaka […]
Naka an-keriny mpandraharaha: Jiolahy dimy lavon’ny polisy
Namoy ny ainy avokoa ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny tao Antsirabe, ny 13 novambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny mpandraharaha sady tompona orinasa iray ao an-toerana, ny alarobia 12 novambra lasa teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra avy hatrany ny “Cellule mixte” […]
Nikasa hanafika : Jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary
Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra (CB) Fenoarivo, notarihin’ny GPHC Rakotonanahary Joro, ny alin’ny alahady 9 novambra 2025, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Notafihin’ny andian-jiolahy ny mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Ambohimangidy, Ampitatafika, tamin’io fotoana io. Voaroban’ireo mpanafika tamin’ izany ny entam-barotra, finday marobe ary vola 4 500 000Ar. […]
Mpilaravinahitra iharan’ny herisetra: Nofanina ireo mpandray an-tanana
Naharitra roa andro ny fiofanana mahakasika ny fihainoana sy ny fandraisana an-tanana ny mpiasa nifindra monina niharan’ny herisetra ka niverina an-tanindrazana, natao teny Anosy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ireo tena iharan’izany sy fantatry ny maro ireo vehivavy mpilaravinahitra any amin’ny tany arabo toy ny any Koweit. Misy very saina tanteraka mihitsy […]




